<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>51</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Raha tonga anio ny Tompo,
 Amin-kery lehibe,
 Ka arahin'ny mpanompo
 Sy anjely marobe ;
 Moa ho faly hianao
 Ka hidera ny Mpamonjy
 Izay nanavotra aina anao ?

[V2]
 He ! ho simba sy ho rava
 Izao rehetra àry izao,
 Ka hifankahita tava
 Ny natao sy ny Mpanao,
 Moa ho faly ....sns.

[V3]
 Maso maro no mijery
 Ilay nijaly fahizay,
 Fa ny mino Azy ihany
 No ho faly rahatrizay :
 Moa ho faly ....sns.

[V4]
 Rehefa tonga re ny Tompo
 Mba hitsara izay natao,
 Hitomany ny tsy mino,
 Fa hanatrika Azy ao :
 Moa ho faly ....sns.

[V5]
 O ! avia re, ry Tompo !
 Mba hanjaka aminay,
 Hahatonga anay mpanompo
 Hiara-paly Aminao :
 O! avia, ô ! avia,
 Fa ny olonao rehetra
 Dia maniry indrindra Anao.</lyrics>
<title>Raha tonga anio ny Tompo FFPM51</title>
<author>I.D. Sankey</author>
</song>